Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

HÔPITALY MONJA JAONA – CHRR AMBOVOMBE : MITOHY NY FANATSARANA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA

Ambovombe Androy | Alarobia 23 Septambra 2026

Ho fanamafisana hatrany ny kalitao sy ny fahafahan’ny Hôpitaly Monja Jaona – CHRR Ambovombe manome tolotra ara-pahasalamana sahaza ny mponina, dia tontosa ny Alarobia 23 Septambra 2026 ny lanonana fanolorana fitaovana ara-pahasalamana ho an’ity Hopitaly de Référence eto amin’ny Faritra Androy ity.
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) izao fanohanana izao.
Tanjona ny hanamafisana ny fahafahan’ny hopitaly manome fitsaboana mahomby sy tolotra ara-pahasalamana manaraka ny kalitao, ho tombontsoan’ny mponina eto Ambovombe sy ny manodidina.
Nanatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao ny Lehiben’ny Faritra Androy, ny Préfet-n’Ambovombe, ny Tale-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Androy, ireo solontenan’ny #OMS sy #UNICEF, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana eto an-toerana.
Mankasitraka ny Fitondram-panjakana sy ny OMS noho izao fanohanana izao, amin'ny alalan'ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka Izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Galerie Photo de l'Événement

10 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public