Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FAMPITAOVANA NY MAISON DES JEUNES AMBOVOMBE ANDROY : FANAMAFISANA NY TONTOLON’NY ASA SY NY TOLOTRA HO AN’NY TANORA

Ambovombe Androy – Faritra Androy

Nahazo fitaovana vaovao ny Maison des Jeunes Ambovombe Androy, noho ny fanohanan’ny UNFPA Madagascar, miaraka amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana Norvezianina. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanatsarana ny tontolo iainan’ny tanora sy hanamafisana ny kalitaon’ireo tolotra atolotra ho azy ireo.
Anisan’ireo fitaovana natolotra ny latabatra birao (tables de bureau), seza, armoires, étagères ary baby-foot. Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny tontolo iasan’ny Maison des Jeunes, ka hahafahany manatanteraka sy mampiroborobo hatrany ireo hetsika sy asa samihafa ho an’ny tanora.
Ny Solontenan’ny UNFPA eto amin’ny Faritra Androy no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana, izay noraisin’ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena eto Androy, notronin’Andriamatoa DAG eo anivon’ny Faritra Androy.
Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny UNFPA Madagascar ary ny Fanjakana Norvezianina izao fanomezana izao. Tafiditra ao anatin’ny ezaka iombonana hanamafisana ny tontolo fandraisana sy ny tolotra ho an’ny tanora izany, ary indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana ny Faritra Androy.
Ankoatra izany, dia andalam-panatanterahana ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny UNFPA Madagascar, amin’ny fametrahana ireo Ivo-toerana natokana ho an’ny Tanora na “ESPACE JEUNES” eny anivon’ireo Distrika ao anatin’ny Faritra Androy.
Anisan’ireo Distrika voakasik’izany ny Distrikan’i Bekily. Maneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany ny Faritra Androy, tarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Dr Djiby FIRAVOA, ho fanamafisana hatrany ireo sehatra sy fotodrafitrasa natokana ho an’ny tanora.
Tanora vanona, tanora tompon’andraikitra, antoky ny fampandrosoana maharitra!

Galerie Photo de l'Événement

11 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public