Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

TAOLAGNARO : ATRIKASA TEKNIKA FANOMBOHANA SY FANDRINDRANA NY TETIKASA SEMENCIER DEFIS–FAO

Taolagnaro, Faritra Anôsy – Hôtel AZURA
21–22 Septambra 2026

Notanterahina tao Taolagnaro, tao amin’ny Hôtel AZURA, ny Atrikasa Teknika Fanombohana sy Fandrindrana ny Tetikasa Semencier DEFIS–FAO, ny 21 sy 22 Septambra 2026. Ity atrikasa ity dia natao hanamafisana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, ary hametrahana ireo dingana ilaina amin’ny fanatanterahana mahomby ny tetikasa.
Nifantoka indrindra tamin’ny fampitoviana ny fahatakarana momba ny tetikasa, ny famaritana ireo asa laharam-pahamehana ho an’ny taona 2026–2027, ny fanamafisana ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay ary ny fametrahana rafitra iombonana ho an’ny fanaraha-maso sy tatitra ny asa ny fifanakalozan-kevitra nandritra ity atrikasa ity.
Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny Faritra Androy, izay nahitana ny Tale Misahana ny Raharaha Amin’ny Ankapobeny (DAG) ao amin’ny Faritra, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny Faritra Anôsy, MIASA, DRASA Atsimo-Andrefana, Androy sy Anôsy, DEFIS, FAO, ireo fikambanana matihanina ary ireo tetikasa sy programa mpiara-miombon’antoka.
Tanjona lehibe ny hanamafy ny famokarana sy famatsiana masomboly tsara kalitao, hanohana ireo tantsaha amin’ny fampivoarana ny famokarana ary handray anjara amin’ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara.
DEFIS–FAO : fiaraha-miasa matanjaka ho amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny masomboly sy ny fanohanana ny tantsaha.

Galerie Photo de l'Événement

3 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public