Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

AMBOVOMBE ANDROY : FIVORIANA MOMBA NY CEB LRF 2026 SY NY INDEMNITÉS DE DÉPLACEMENT

Ambovombe Androy | Talata 22 Septambra 2026

Tontosa teto Ambovombe Androy ny Club de Gestion, izay nifantoka tamin’ny fanazavana sy fifanakalozana momba ny CEB LRF 2026, ary koa ny Décret vaovao mifehy ny indemnités de déplacement ho an’ireo mpiasam-panjakana.
Nandritra ny fihaonana dia nohazavaina tamin’ireo mpandray anjara ihany koa ny fomba fiasa sy ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny tetibola (exécution budgétaire), mba hanamafisana ny fahatakarana sy hiantohana ny fampiharana araka ny tokony ho izy ireo fepetra sy toromarika vaovao.
Nohamafisina ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitantanana mangarahara sy ny fanaraha-maso hentitra ny fandaniana, indrindra ireo fandaniana mifandraika amin’ny indemnités de déplacement, ho fanatsarana hatrany ny fitantanana ny volam-panjakana.
Nanome voninahitra sy nanotrona izao fotoana izao ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, niaraka tamin’Andriamatoa Préfet d’Ambovombe Androy, ireo Talem-paritra isan-tsokajiny, ireo tomponandraikitra sy mpiasan’ny sampan-draharaham-panjakana, ary ireo solontenan’ny MEF eto amin’ny Faritra Androy.
Fitantanana mangarahara, fanajana ny lalàna ary fanamafisana ny fahaiza-mitantana, ho fanatsarana hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana eto amin’ny Faritra Androy.
FARITRA ANDROY — Miroso mankany amin’ny Fanovana sy Fanavaozana, ho an’ny Fampandrosoana hatrany.

Galerie Photo de l'Événement

12 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public