Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONAN’NY POLISIM-PIRENENA MALAGASY

30 SEPTAMBRA 1961 – 30 SEPTAMBRA 2026

POLISIM-PIRENENA MALAGASY : 65 TAONA NIASANA HO AN’NY FILAMINANA SY NY VAHOAKA
Ambovombe Androy – 30 Septambra 2026
Manamarika ny faha-65 taona nijoroan’ny Polisim-pirenena Malagasy ny Alarobia 30 Septambra 2026. Fotoana iray ankalazana ireo taona maro niasana ho an’ny Fiarovana ny vahoaka, ny fitandroana ny filaminana ary ny fanompoana ny Firenena.
Tsy diso anjara tamin’izao fankalazana izao ny Faritra Androy, ka eto Ambovombe Androy renivohitry ny Faritra no nanatanterahana ireo hetsika lehibe nanamarihana izany.
Nandritra ny andro maromaro dia nisy ireo hetsika samihafa nokarakarain’ny Fianakaviamben’ny Polisim-pirenena, niaraka tamin’ireo mpiasa sy sampandraharaham-panjakana eto an-toerana.
Anisan’izany ny:
Lalao ara-panatanjahantena, indrindra ny Baolina Kitra sy Basketball, izay nampitambatra ireo mpiasa sy ireo sampandraharaham-panjakana eto Ambovombe;
Asa sosialy, toy ny fanomezan-drà an-tsitrapo, izay notanterahin’ireo Fianakaviamben’ny Polisim-pirenena tao amin’ny Hopitaly Monja Jaona eto Ambovombe;
Fiombonam-bavaka iraisan’ny mpino, ho fanamarihana izao tsingerintaona lehibe izao;
Hazakazaka madinidinika, izay notanterahina androany 30 Septambra, ka niarahan’ireo Polisim-pirenena sy ireo Talem-paritra isan-tsokajiny eto Ambovombe.
Hitohy amin’ny Alim-padihizana anio hariva izao fankalazana izao, izay hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Androy, ho fotoana iarahana mifaly sy mifampizara.
Ny fankalazana kosa raha ny eto ANDROY manokana dia hifarana amin’ny Alahady 4 Oktobra 2026, amin’ny alalan’ny lalao famaranana Basketball, izay hotanterahina ao amin’ny Lycée Ambovombe.
“Polisim-pirenena miaro sy manampy ny vahoaka.”
Ny Fiadidiana ny FARITRA ANDROY izay tarihin'Andrimatoa Lehiben'ny Faritra Dr Djiby FIRAVOA dia Mirary fankalazana feno hafaliana sy fahombiazana ho an’ny Fianakaviamben’ny Polisim-pirenena Malagasy rehetra, indrindra fa ireo miasa ato anatin'ny FARITRA ANDROY!

65 TAONA NIASANA HO AN’NY FIRENENA SY NY VAHOAKA.

Galerie Photo de l'Événement

22 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public