Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FARITRA ANDROY : TONTOSA NY FITSIDIHANA NIARAHAN’NY MEF SY UNICEF

Tsihombe – Beloha – Bekily – Antanimora – Ambovombe

14–18 Septambra 2026
Tontosa teto amin’ny Faritra Androy, ny 14 ka hatramin’ny 18 Septambra 2026, ny fitsidihana izay niaraha tamin'ny solotenan'ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) nahitana an'Andriamatoa BINY Horace Emilson ary ny UNICEF Madagascar, izay nahitana fidinana ifotony sy fanaraha-maso ireo tetikasa, fandaharanasa ary hetsika sosialy sy fampandrosoana tanterahina eny anivon’ireo Distrika samihafa.
Nandritra izany fidinana ifotony izany dia sehatra maro no nojerena sy narahina akaiky, anisan’izany ny WASH sy ny fahazoana rano fisotro madio, ny fahasalamana sy ny sakafo, ny fanabeazana, ny fiarovana ny zaza, ary ireo hetsika sosialy mikendry ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.
Anisan’ireo toerana nanaovana fidinana ifotony ny ao ambondro, Sihanamaro, Tsihombe, Antavy-Nord, Faux-Cap, Nikoly, Beloha, Andamilamy, Tranoroa, Ankaranabo Nord, Belindo mahasoa, Andalatanosy, Antanimora-sud ary Ambovombe.
Notsidihina sy nojerena manokana nandritra izany ireo toeram-pamatsian-drano sy fanadiovana rano, CSB sy ireo hetsika Santé-Nutrition, PHAGEDIS, CEG sy ireo hetsika fanabeazana, ary ireo fandaharanasa mifandraika amin’ny fiarovana ny ankizy, ny sakafo ary ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fitsidihana ity ihany koa ny iraka manokana avy amin’ny Fiadidiana ny Faritra Androy, izay notarihin’Andriamatoa Ratovo Monja Edmond Mpandrindra ny Tetik’Asa Marolafy eto anivon’ny Faritra Androy.
Nandritra ny fidinana ifotony dia niara-nidinika sy nanaraka akaiky ny zava-misy teny an-toerana ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka, ka nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fandrindrana, ny fiaraha-miasa ary ny fanaraha-maso ireo fandaharanasa sosialy sy fampandrosoana ho tombontsoan’ny mponina ato amin’ny Faritra Androy.

Galerie Photo de l'Événement

28 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public