ONG BANQUE ALIMENTAIRE DE MADAGASCAR
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

ONG BANQUE ALIMENTAIRE DE MADAGASCAR

Publié le : 03/10/2025

Noraisin'ny Goverinora ny Faritra Androy teto amin'ny toeram-piasany anio Alakamisy 02 Oktobra 2025 ONG BANQUE ALIMENTAIRE DE MADAGASCAR izay miara-miasa amin'ny Lions club sy Rotary International avy any Australie.

Fotoana nanatanteraka fihaonana amin'ny fomba fanajana ary namelabelarana ireo asa soa ataon'izy ireo eto Ambovombe toy ny fanaovana fotodrafitrasa rano fisotro madio amin'ny alalan'ny fametrahana réservoir d'eau sy fanomezana filtre, fanohanana cantine scolaire eto @ EPP Centre Ambovombe, fanamboarana ny trano fandrahoana (cuisine) eto amin'ity sekoly ity.

Velompisaorana ny Goverinora nandritra ny lahateniny ary maniry hatrany ny hitohizan'ny fiarahamiasa sy ho fanitarana izany amin'ny toeran-kafa ato anatin'ny Faritra Androy

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.