FANAMAFISANA NY FAHAIZAMANAO NY COMITE DE SUIVI ENVIRONEMENTAL REGIONAL ( CSER) ny Tetik'asa PICAS - 1
Publié le : 10/11/2025
Natomboka anio 10 Novambra 2025 teto FARADOFAY ny Atr'ik'asa haharitra dimy Andro iarahan'ny Faritra Androy sy Anosy ho fiatrehana ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ho fitantanana arantolo ianana ny Tetik'asa PICAS-1 eo ambany fiahian'ny Minisitera ny Fambolena sy Fiompiana Malagasy ary iarahana amin'ny A2DM.
Tanjon'ny Tetik'asa PICAS ny ho fanatratrarana ny fahavita-tena ara-tsakafo, fanatsarana n'y kalitaon-tsakafo ao anatin'ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Hojerena arak'izany ny Plan de Gestion Environnemental et Sociale amin'ireo asa sahanin'ny tetik'asa izay mifototra amin'ny hevidehibe telo
1- Fanatsarana ny fotodrafitr'asam-pambolena eny ambanivohitra
2-Fampiroboroboana ny chaîne de valeur
3-Fitantanana ny fandrindrana ny Tetik'asa
Nandray anjara amin'izany atrik'asa izany ny avy amin'ny Faritra Androy izay nosoloan'ny CER par intérim RASOLONDRAIBE Germain tena ary ny avy amin'ny Faritra Anosy sy ny DRAE roa tonta sy ny amin'ny Kaominina voakasikan'ny tetik'asa.
Antenaina arak'izany izao fanamafisana fahaizamanao ny komity panaramaso ara tontolo ianana rejionaly izao fa mampifandrindra ny politikam-pampandrosoana ny Faritra sy tontolo iainana manoloana ny fiovaovan'ny Toetr'andro sy ny Tanjon'ny Tetik'asa PICAS-1.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.