Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗬 | 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗩𝗢𝗠𝗕𝗘 : 𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 "𝗽𝗮𝘃𝗲́"

Miova tsikelikely ny endrik’ireo lalam-pifandraisana eto amin'ny Kaominina Ambonivohitra Ambovombe, Faritra Androy.

𝐀𝐌𝐁𝐎𝐕𝐎𝐌𝐁𝐄 𝐑𝐍𝟏𝟑 – 𝐏𝐥𝐚𝐠𝐞 𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐆𝐎𝐓𝐘
Hita taratra ny fandrosoan’ny asa eo amin’ity lalana mampitohy ny RN13, eto an-tanànan’Ambovombe ity, sy ny Plage Tsirangoty.
3 km no efa vita amin'ny asa fanamafisana sy fiarovana ny sisin-dalana amin’ny vato voaorina.
2 km kosa ny sosona fototra amin’ny lalana na "couche de base" no efa natao.
Ity sosona ity no manome fahamarinan-toerana sy tanjaka ho an’ny lalana, mialohan'ny fametrahana ny sosona ambony amin’ny rarivato.

𝐀𝐌𝐁𝐎𝐕𝐎𝐌𝐁𝐄– 𝐒𝐄𝐕𝐎𝐇𝐈𝐏𝐎𝐓𝐘
Mandroso ihany koa ny asa fanamboaran-dalana "pavé" mampitohy an’Ambovombe sy Sevohipoty.
Efa 600 metatra ny fanamafisana sy fiarovana ny sisin-dalana amin’ny vato voaorina vita.
Efa mahatratra 300 metatra ihany koa ny sosona fototra vita.
Ireo asa ireo dia manampy amin’ny fanatsarana ny lalana sy ny fivezivezena, ary indrindra amin’ny fanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana ny vokatra ary ny entana ao amin’ny faritra.
Mandroso ny asa, mitohy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny Vahoakan’Androy.

Galerie Photo de l'Événement

8 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public