Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

PACTE VERT HO AN’I MADAGASIKARA : MITOHY NY FAMPIHARANA NY NEXUS TSINJO NY MAHA-OLOMANA – FAMPANDROSOANA – FANDRIAMPAHALEMANA (HDP) ETO ANDROY

Tsihombe, Faritra Androy – Septambra 2026

Ao anatin’ny fampiharana ny Pacte Vert ho an’i Madagasikara sy ny fomba fiasa Nexus Tsinjo ny Maha-olona – Fampandrosoana – Fandriampahalemana (HDP), dia mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana eny ifotony.
Anisan’ny dingana lehibe amin’izany ny Atrikasa Famakafakana Niara-nanaovana (Analyse Conjointe), izay notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankilivalo sy Imongy, ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy.
Notanterahina teo ambany fitarihan’ny Faritra Androy, ary niaraka tamin’ny fandrindrana ara-teknikan’ireo manampahaizana momba ny Nexus HDP avy amin’ny PNUD, ny atrikasa.
Dingana lehibe amin’ny fampiharana ny fomba fiasa Nexus HDP eny ifotony ity famakafakana niara-nanaovana ity. Tafiditra mivantana amin’ny fanatanterahana ny Vokatra 3.2 ao anatin’ny tetikasa izy, izay mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo rafitra sy ny vondrom-piarahamonina eo amin’ny sehatry ny fandrindrana, ny fandraisana anjara, ny mangarahara ary ny fampiroboroboana ny fihavanana.
Nisongadina ihany koa ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny GRAC (Groupe Régional d’Analyse Conjointe) Androy, izay ahitana ireo sampandraharaham-panjakana, ny Faritra, ireo masoivohon’ny Firenena Mikambana, ny PNUD Madagascar, PAM, FAO, Care, ACF,... ireo manam-pahefana eny ifotony ary ireo solontenan’ny vondrom-piarahamonina.
Ny tanjona lehibe tamin’ity Famakafakana Niara-nanaovana ity dia ny hahazoana fahatakarana iombonana momba ireo antony mahatonga ny faharefoana sy ny krizy, sady hamantarana sy hanasongadinana ireo fahaiza-manao, loharanon-karena ary vahaolana efa misy eny ifotony.
Ireo tolo-kevitra stratejika nivoitra nandritra ireo atrikasa ireo dia natao ho fototra amin’ny famolavolana ireo Drafi-pampiharana Hiarahana (POC) amin’ny ho avy.
Amin’ny alalan’izany, kendrena ny hanamafisana hatrany ny firindrana, ny fandrindrana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra samihafa, mba hampifanaraka kokoa ny asa vonjy taitra, ny fampandrosoana maharitra ary ny fampanjakana ny fandriampahalemana eto amin’ny Faritra Androy.

Pacte Vert ho an’i Madagasikara — Ho an’ny fampandrosoana maharitra eto amin'ny Faritra Androy.

Galerie Photo de l'Événement

26 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public