Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA ENY IFOTONY : FANAMAFISANA SY FANATSARANA NY FOMBA FIASA AMIN’NY ALALAN’NY PGE-R SY PMO

Mahazoarivo – Antananarivo | Alakamisy 1 Oktobra 2026

Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany, tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny Alakamisy 1 Oktobra 2026, ireo Lehiben’ny Faritra 24 sy ireo tompon’andraikitra misahana ny Distrika manerana an’i Madagasikara.
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny **Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, sy ny Lehiben’ny Fileovana Ambovombe Androy, Andriamatoa RANDRIAMANGA Falinirina Mandela.
Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana eny ifotony ny fihaonana, indrindra ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, mba hahafahana manatanteraka ny andraikitra sy ny asa ampanaovina azy ireo amin’ny fomba haingana sy mahomby kokoa.
Nodinihina nandritra izany ihany koa ny fampiharana ny **Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) sy ny Programme de Mise en Œuvre (PMO), ary ny paikady entina mandrindra sy manatanteraka izany amin’ny ambaratongam-pitantanana rehetra manerana ny Faritra.
Fotoana ihany koa izany nihainoana ireo olana, hetaheta ary soso-kevitra avy amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fandrindrana ny asa sy ny andraikitry ny mpitondra eny ifotony, mba hahazoana vokatra mivaingana sy hanatsarana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Fanjakana manerana ny Nosy.

Galerie Photo de l'Événement

11 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public