Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FARITRA ANDROY : MITOHY NY FANANGANANA SY FANDRINDRANA IREO FÉDÉRATIONS DE PÊCHEURS

Ambovombe Androy | Alarobia 23 Septambra 2026

Mitohy ny ezaka fananganana sy fandrindrana ireo Fédérations de Pêcheurs eto amin’ny Faritra Androy, izay mahakasika ireo Distrika 03, ahitana ireo Kaominina miisa 12 ao anatin’ny faritra amorontsiraka (Littoral).
Taorian’ny Distrikan’i Tsihombe sy Beloha, dia notanterahina androany, Alarobia 23 Septambra 2026, teto amin’ny Distrikan’Ambovombe Androy ny dingana fananganana ny Fédération de Pêcheurs. Nialohavan’izany ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny LMMA (Locally Managed Marine Area), ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony amin’ny fitantanana sy fiarovana ireo harena an-dranomasina.
Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Distrika, ireo Talem-paritra sy ireo sampandraharaham-panjakana voakasika, ary ny ONG WCS, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ireo ezaka ho amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina.
Nohamafisin’ny Lehiben’ny Faritra fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Androy ny sehatry ny jono. Zava-dehibe, araka izany, ny fametrahana rafitra matanjaka miainga eny ifotony, ahafahan’ireo mpanjono sy ny vondrom-piarahamonina mandray anjara mavitrika amin’ny fitantanana, fiarovana ary fampiasana maharitra ireo harena an-dranomasina.
Dingana manaraka amin’izao ezaka izao ny fananganana ny Plateforme-n’ireo Mpanjono eto amin’ny Faritra Androy, izay hotanterahina eto amin’ny Renivohitry ny Faritra Androy. Tanjona amin’izany ny hanamafisana hatrany ny firaisankina, ny fandrindrana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny jono.

FARITRA ANDROY DIMY IZAY IRAY

Ho an’ny fampandrosoana lovainjafy sy ny fiarovana ireo harena an-dranomasina.

Galerie Photo de l'Événement

7 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public