Fandaminana ny disadisam-piaraha-monina ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandrany, District Bekily
Publié le : 03/09/2025
Manoloana ny disadisam-piaraha-monina ao amin'ny kaominina Tanambao Tsirandrany, District Bekily, ka miteraka fifandonana ara-sosialy dia nivory maika ny OMC-REG (Organe Mixte de Conception) notarihan'Atoa Préfet. Niainga izao maraina izao ireo lehiben'ny mpitandro filaminana (Commandant Groupement ZP, Commandant ZDS Mandrare, ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka) handrindra sy handamina ny filaminana any an-toerana. Ary hidina ifotony ihany koa manarak'izay ny Préfet n'Ambovombe, ny Goverinora faritra hahafahana mijery vahaolana maharitra mba tsy hiveremberenan'ny olana intsony.
Tsy mitaza-potsiny ny mpitondra fanjakana aty ifotony fa mandray ny andraikiny ary hanao izay ezaka rehetra hamantarana ny tena fototry olana mba hahaizana maka fepetra mifanaraka amin'ny tena zava-misy marina
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.