Fandaminana ny disadisam-piaraha-monina ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandrany, District Bekily
Publié le : 04/09/2025
Efa nalamina nanomboka omaly ny eny an-kianja ao amin'ny kaominina Tanambao Tsirandrany tamin'ny alalan'ny fidinana any an-toerana nataon'ireo mpitandro filaminana mitambatra (Force mixte). Nidina ifotony ireo mpikambana eo anivon'ny OMC REG, ny Solombavam-bahoaka voafidy teto Bekily, ny Goverinoran'ny faritra ANDROY manao ny paik'ady rehetra eto amin'ny distrika ny Bekily mitady izay hirika hitadiavana vahaolana maharitra amin'ny alalan'ireo lonaka sy olobe, ireo ben'ny Tanana manodidina mpifanolobodirindrina amin'ny kaominina Tanambao Tsirandrany.
Efa nisy ny sava-lalana nanomboka omaly, dinika sy faka-kevitra etsy sy eroa ary hisy ny fampihaonana sy kabary ambanikily rahampitso maraina hametrahana fandaminana maharitra sy eken'ny rehetra.
Galerie d'images
Cliquez sur une image pour l'agrandir.