Ambovombe Androy | Alarobia 16 Septambra 2026
Tontosa tao amin’ny Guest House Nessate Anjatoka, Ambovombe-Androy, ny Alarobia 16 Septambra 2026, ny atrikasa ao anatin’ny Tetikasa LANDJA, izay nifantoka tamin’ny fampanatonana ny Fitsarana nentim-paharazana sy ny Fitsarana ara-dalàna, ho fanamafisana ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fandriampahalemana eo anivon’ny fiarahamonina.
Nandritra izany dia nojerena sy nofintinina ireo zava-bita sy lesona azo tamin’ny tetikasa, ary nodinihina ireo fanamby sy ireo ezaka tokony hotohizana. Nifantoka ihany koa ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny famantarana ireo mpisehatra sy ny andraikiny, ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fandrindrana, ary ny fametrahana rafitra fiaraha-miasa maharitra.
Nandray anjara tamin’izany ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra samihafa eto amin’ny Faritra Androy, isan’izany ny avy amin’ny Prefektioran’Ambovombe, ny Fiadidiana ny Faritra Androy, ireo Lehiben’ny Distrika, Solontenan’ireo Parlemantaire, Ben’ny Tanàna, Délégués ary ireo KMD (Komity Manatanteraka ny Dina), niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Ny Fikambanana MAGNASOA, ao anatin’ny Tetikasa LANDJA, no nikarakara ny atrikasa, niaraka tamin’ny fanohanan’ny PNUD Madagascar, tamin’ny alalan’ny PBF – Tahirim-bola ho an’ny Fanamafisana ny Fandriampahalemana.
Nofaranana tamin’ny famolavolana sy fanamarinana drafitra asa, izay natao sonian’ireo antoko voakasika, ny atrikasa, ho fanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fitohizan’ireo ezaka ho amin’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny Faritra Androy.
Fifampitokisana, fifampidinihana ary fiaraha-miasa — fototry ny fihavanana sy ny fiarahamonina milamina.
FARITRA ANDROY DIMY IZAY IRAY