Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FARITRA ANDROY : MITOHY NY EZAKA FANARENANA IREO LALANA

Ambovombe Androy | Alatsinainy 21 Septambra 2026

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana FANAVAOZANA amin'ny alalan'ny Fiadidiana ny Faritra Androy, tarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, amin’ny fanatsarana sy famelomana indray ireo lalana eto anivon’ny Faritra Androy.
Anisan’ny asa tanterahina ny fanalalahana ireo lalana tery, indrindra ireo toerana mety hiteraka fitohanana, ary koa ny fanesorana ireo fasika manentsina sy manasarotra ny fifamoivoizana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana miainga eto Ambovombe Androy, mampitohy ny Kaominina Maroalomainty hatrany amin’ny Kaominina Maroalopoty.
Anisan’ireo mahazo tombontsoa mivantana amin’izao ezaka fanamboarana sy fanarenana ny lalana izao ireo mponina ao amin’ny Fokontany Bevoly, Lavandrandra, Amboasary II, Ambazoamirafy, Vahavola, Eradabe Tsimivaky, Tsibiribirie, Erakoke, Ebagnake, Marofoty, sy ireo toerana manodidina.
Tonga nijery sy nanara-maso ny fizotry ny asa teny an-toerana Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, niaraka tamin’Andriamatoa Tale Kabinetran’ny Faritra Androy.
Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny fivezivezen’ny olona sy ny entana, ary hiantohana ny fahafahan’ny mpampiasa lalana mivezivezy am-pilaminana sy amin’ny fomba mora kokoa.

FARITRA ANDROY : MIROSO HATRANY MANKANY AMIN’NY FANOVANA SY FANAVAOZANA, HO AN’NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA.

Mandroso miaraka, manavao ho amin’ny hoavy tsara kokoa.

Galerie Photo de l'Événement

9 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public