Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

ANDALATANOSY – BEKILY : HANOMBOKA NY FANAMBOARANA NY RADIER SIMBA

Andalatanosy | Alatsinainy 21 Septambra 2026

Mitohy ny ezaka fanarenana ireo fotodrafitrasa sy lalam-pifandraisana eto amin’ny Faritra Androy. Anisan’izany ny fanamboarana ny radier eo amin’ny lalana mampitohy an’Andalatanosy sy Bekily, izay efa simba tanteraka ka niteraka fahasahiranana ho an’ireo mpampiasa ny lalana.
Ny Alatsinainy 21 Septambra 2026, dia nidina ifotony teny an-toerana ny Talem-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Androy, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’Andalatanosy sy ny orinasa Camilla, izay hanatanteraka ny asa fanamboarana.
Nandritra izany fidinana ifotony izany no nanaovana ny fanombanana ny zava-misy eny an-toerana, ny fifampidinihana tamin’ireo tompon’andraikitra ary ny fanomanana ireo dingana mialoha ny fanombohan’ny asa.
Efa vonona araka izany ny fanombohana ny asa fanarenana, izay kendrena hanatsarana ny fivezivezena sy hanamafisana indray ny lalam-pifandraisana eo amin’Andalatanosy sy Bekily, ho tombontsoan’ny mponina sy ireo mpampiasa ny lalana.

FARITRA ANDROY – DIMY IZAY IRAY

Galerie Photo de l'Événement

6 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public