27 SEPTAMBRA 2026 Antaritarika, Distrikan’i Tsihombe – Faritra Androy.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana FANAVAOZANA sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny famahana ny olan’ny rano eto amin’ny Faritra Androy. Anisan’ireo toerana hisitraka rano fisotro madio amin’ny alalan’ny tetikasa fanodinana ny ranomasinina ho lasa rano fisotro madio ny Kaominina Antaritarika, ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe FARITRA ANDROY.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanohizana ny fikarohana sy ny fametrahana vahaolana maharitra amin’ny olan’ny rano, indrindra any amin’ny Faritra Atsimo, izao tetikasa izao. Kendrena amin’izany ny hanatsarana ny fahazoan’ny vahoaka rano fisotro madio sy azo antoka, indrindra any amin’ireo toerana mbola miatrika fahasahiranana lehibe eo amin’ny famatsian-drano.
Tonga nidina ifotony tao amin’ny Fokontany Maroafo, ao anatin’ny Kaominina Antaritarika, ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry, Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, niaraka tamin’ireo teknisianina vahiny avy amin’ny orinasa Jiangsu Bangtec Huachuang Sci-Tech Co., sy ireo iraka manokana avy amin’ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana.
Nandritra izao fidinana ifotony izao no nijerena sy nanaovana fanadihadiana ireo lafiny ara-teknika sy ireo dingana ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa, ho fanomanana ny fametrahana ny vahaolana momba ny fanodinana ny ranomasinina ho lasa rano fisotro madio.
Nanatrika sy nanome voninahitra izao fotoana izao ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby FIRAVOA, ny Préfet an’Ambovombe Androy, ny Tale Jeneralin’ny AES, ny Tale-paritry ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana eto Androy, ary ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
Anisan’ireo nanatrika izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Tsihombe, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Antaritarika, ary ireo FanagnandRae sy FanagnadRene ao an-toerana.
Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana vahaolana maharitra amin’ny olana mahakasika ny rano, indrindra amin’ireo faritra izay mbola miatrika fahasahiranana amin’ny fahazoana rano fisotro madio.
Ho an’ny mponina ao Antaritarika, izay anisan’ireo toerana voakasiky ny tetikasa, dia antenaina fa hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fahatanterahan’ity tetikasa ity.
Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mponina ny delegasionina, izay notarihin’ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry, Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, izay manambara fa ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kolonely Michael RANDRIANIRINA dia tsy matory andro aman-alina amin'ny fitadiavam-bahaolana maharitra ho an'ny Vahoaka.
«« Tsy ho an’ny Faritra Atsimo ihany izao fa hitatra manerana an’i Madagasikara. »»
HO MAITSO NAHO VELON-DRANO TY ANDROY,
FARITRA ANDROY DIMY IZAY IRAY
Actualité Régionale
FAMAHANA NY OLANA RANO ETO ANDROY : MITOHY NY EZAKA HO AMIN’NY FAHAZOAN’NY VAHOAKA RANO FISOTRO MADIO
Galerie Photo de l'Événement
54 photosCliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.
Commentaires & Réactions
Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !