Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FANKALAZANA NASIONALY NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY FIZAHANTANY 2026 : NANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY FARITRA ANDROY

MAHAJANGA – 24 hatramin’ny 27 Septambra 2026

Notanterahina tao Mahajanga, Renivohitry ny Faritra Boeny, ny 24 hatramin’ny 27 Septambra 2026, ny Fankalazana Nasionaly ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fizahantany 2026.
Lanonana Ofisialy, izay notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, niaraka tamin’ireo Minisitra maro, anisan’izany ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asatanana, Ramatoa Lily RAFARALAHY.
Nandritra izany dia maro ireo solontena avy amin’ireo Faritra manerana ny Nosy no tonga niara nankalaza sy nandray anjara mavitrika tamin’ireo hetsika samihafa ho fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fizahantany izao.
Tsy diso anjara tamin’izany ny FARITRA ANDROY, izay notarihin’Andriamatoa Imarc Justin RAZANABAHINY, Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asatanana eto Androy.
Nandray anjara mavitrika ihany koa ireo solontena mpanao Asatanana avy amin’ny Faritra Androy, izay nisolo tena ny Faritra tamin’ny alalan’ny Fikambanana HETSORO sy ny Fikambanana TANDROY TOVATA'E.
Anisan’ny fandraisana anjara nisongadina ny varotra sy fampirantiana ireo vokatra Asatanana mampiavaka ny Faritra Androy, ka nahafahana nampahafantatra sy nanandratana bebe kokoa ny talenta, ny fahaiza-manao ary ny harena ara-kolontsaina sy ara-javakanto ananan’ny Faritra Androy.
Nandray anjara tamin’ny Carnaval nokarakaraina nandritra ny hetsika ihany koa ny solontenan’ny Faritra Androy, ka nampiseho tamin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ny maha-sarobidy ny maha-Androy.

Mahajanga – Faritra Boeny
24 – 27 Septambra 2026

Galerie Photo de l'Événement

11 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public