Logo Région Androy
MINISTRY OF THE INTERIOR AND DECENTRALIZATION

ANDROY REGION
Main Menu
Actualité Régionale

FANOKAFANA NY HETSIKA FANAOVANA VAKSINY FAOBE MIARO AMIN’NY KITROTRO SY POLIO, SY FIZARANA VITAMININA A

Ambovombe Androy | Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Tontosa androany maraina, teto amin’ny CSB2 Ambovombe Androy, ny lanonam-panokafana ny Hetsika Fanaovana Vaksiny Faobe hiarovana ny ankizy amin’ny Kitrotro ho an'ny Zaza 9 Volana hatramin'ny 5 Taona sy ny Polio (Lefakozatra) hoan'ny Zaza vao teraka hatramin'ny 5 Taona , ary Fanomezana Vitaminina A hoan'ny Zaza 6 volana hatramin'ny 5 Taona, izay mbola tsy nisitraka izany tao anatin'ny 6 Volana.
Nanome voninahitra sy nitarika izao lanonam-panokafana izao ny Préfet-n’Ambovombe Androy, notronin’Andriamatoa DGMP avy ao amin’ny Minisitera'ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanatrika izany ihany koa ireo solontenan’ny Faritra Androy, nahitana ny DAS, ny Sekretera Jeneralin’ny Kaominina Ambovombe Androy, ireo Talem-paritra isan-tsokajiny, notarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Androy, ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Ao anatin’ity hetsika ity dia hisy ny fitetezana isan-tokantrano ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ankoatra ny fandraisana ireo ankizy eny amin’ireo CSB sy ireo toerana manokana natokana hanatanterahana ny vaksiny.
Maimaim-poana ny vaksiny sy ireo tolotra mifandraika amin’ity hetsika ity, ary misitraka izany avokoa ireo Distrika 5 ato anatin’ny Faritra Androy.
05 ka hatramin’ny 09 Oktobra 2026
Entanina ny ray aman-dreny sy ny mpiantoka ny ankizy mba handray anjara mavitrika amin’izao hetsika izao, hitondra ny zanany hanao vaksiny ary hanamora ny asan’ireo mpiasan’ny fahasalamana mandritra ny fitsidihana isan-tokantrano.
Ento atao vaksiny ny zanantsika!
Vaksiny androany, fiarovana ho an’ny zanatsika rahampitso.

Galerie Photo de l'Événement

24 photos

Cliquez sur une photo pour l'afficher en grand écran.

Commentaires & Réactions

Aucun commentaire pour l'instant. Soyez le premier à réagir !
Laisser un commentaire public