Fifanakalozana sy fanamafisana traikefa momba ny fitantanana sy ny fikirakirana ny "Banque alimentaire" tany Egypte
Logo Région Androy
MINISTÈRE DE LA DÉCENTRALISATION ET DE L'AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

REGION ANDROY
Menu Principal

Fifanakalozana sy fanamafisana traikefa momba ny fitantanana sy ny fikirakirana ny "Banque alimentaire" tany Egypte

Publié le : 02/12/2025

Nanatontosa fifanakalozana sy fanamafisana traikefa momba ny fitantanana sy ny fikirakirana ny "Banque alimentaire" tany Egypte ny 23 ka hatramin'ny 29 novambra ny ekipan'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana, ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola ary ny Faritra Androy sy Anosy. Nisy ny fifanakalozana traikefa natao sy fitsidihana samihafa ka ireto avy ny natao tamin'izany:
1- Fifanakalozana sy fifampizarana niarahana tamin'ny "Centre National de recherche en eau egyptien" tao Le Caire,
2- fakana sy fizarana traikefa ary fitsidihana ny "Banque alimentaire égyptienne" tao Le Caire ihany koa izay efa Renault efa manana ny maha izy azy maneran-tany, ary isan'ireo mamatsy an GAZA amin'ny olan'ny tsy fanjarian-tsakafo any io,
3- Fitsidihana ny centre de recherche en RIZ ao KAFR El-Sheik izay isan'ny centre matanjaka indrindra aty Afrika, ary mandray Mpiofana maro avy aty amin'ny firenena Afrikana, anisan'izany i Madagascar; tapaka tao anatin'izany fa hisy mpiofana Malagasy maromaro halefa any Liban haka traikefa momba ny fambolem-bary.
Ireto avy ny nandray anjara tamin'ny fifanakalozana tany Egypte :
1- Ekipan'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana,
2- Ekipan'ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola,
3- Ekipan'ny Faritra Androy,
4- Ekipan'ny Faritra Anosy.
Isaorana ny tetikasa PURPA izay tohanan'ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana BAD nanohana tamin'io fifanakalozana io.

Galerie d'images

Cliquez sur une image pour l'agrandir.